Talenta
Samy manana talenta hono ny olona tsirairay fa sahy
milaza aho eto fa tena maniry an’ireny olona manana
talenta amin’ireny fanaovan-tsary sy asa tanana samy
hafa. Anisan’ireny olona manavia amin’ireny asa tanana
ireny mantsy ny tenako ka mba tena mitsiriritra ny mba
hahay manao azy ireny
Ny manoratra ihany mantsy ny mba havanana ahy ka
matetika dia mena maso ery rahefa mijery ireny olona
manan-talenta ireny manpiseho ny asan-tanany ,
manpideradera azy ireny ny ahy mantsy any anaty cahier
sy any amin’irony boky irony ihany no ahatazanan’azy
Kanefa iarahana mahalala fa tsy ny olon-drehetra no tia
ireny asa soratra ireny . Na dia izany aza dia faly sy
misaotra ilay nahary aho tamin’io talenta nomena ihy io.
Talenta talenta ihany



“samy nomen’ny Nahary ati-doha sy tànana ny tsirairay avy” : fomba famaliko matetika io rehefa hiady hevitra momba ny zavatra hay sy tsy hay aho. Tsy atao mahamenatra izay tsy hainao, fa izay kely anananao ahiratra toa ny mason-tsokina fa sakamalaho sy havozo retsy, samy manana ny hanitra ho azy a. “Raha tsy hay tsy hibitabitahana” koa mbola fomba fiteny.
Hainao ny manoratra fa lasa izao e ; tohizo ny fikaliana ny zavatra aseho fa ny endrika ivelany dia efa manintona ny mpamaky. Talenta koa io an !
Tsy mena maso ianao ry Lomelle, fa tena talenta tokoa no anananao amin’ity fanoratana ity. Mahavariana ahy foana ny miverina ato ka mahita ny post vaovao avelanao. Tena rivotra vaovao eto amin’ny bolongana mpitoraka blaogy malagasy ianao ary manome fankaherezana hatrany e. Hitohy anie izao !
[...] talenta talenta ihany [...]
Ampitomboy ny tanlenta azonao sady mikolokolo izay efa anananao ianao…